John 21

1Taorian’ireo zavatra ireo Jesosy dia niseho tamin’ireo mpianatra indray teo amin’ny ranomasin’i Tiberiasy. Toy izao ny fomba nisehoany: 2Simona Petera dia niaraka tamin’i Tomasy izay antsoina hoe Didymo, Natanaela avy any Kana any Galilia, ireo zanak’i Zebedio, ary mpianatr’i Jesosy roa hafa. 3Hoy Simona Petera tamin’izy ireo hoe: “Handeha hanarato aho.” Ary hoy izy ireo taminy hoe: “Izahay, koa, handeha hiaraka aminao.” Ka lasa izy ireo ary niditra tao an-tsambokely iray, fa tsy nahazo na inona na inona izy ireo nandritry ny alina tontolo.

4Ary, raha efa mangiran-dratsy sahady ny andro, dia nijoro teo an-dranomasina Jesosy, fa tsy fantatr’ireo mpianatra hoe Jesosy io. 5Ka hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Ry tovolahy, tsy manan-ko-hanina ve ianareo?” Namaly Azy izy ireo hoe: “Tsia.” 6Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Atsipazo eo amin’ny sisiny ankavanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo.” Ka dia natsipin’izy ireo ny haraton’izy ireo ary tsy nahavita nampiakatra izany tao nohon’ny habetsaky ny hazandrano.

7Avy eo hoy ilay mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera hoe: “Ny Tompo io.” Rehefa ren’i Simona Petera fa ny Tompo io, dia nampiditra ny ambonin’ankanjony izy (satria tsy niakanjo izy), ka nitsambikina tao anaty ranomasina. 8Ireo mpianatra hafa nankao an-tsambokely (satria izy ireo tsy lavitry ny tanety, teo amin’ny roan-jato hakiho teo), ary nisintona ny harato feno hazandrano. 9Rehefa tafiakatra an-tanety izy ireo, dia nahita afon’arina teny ary hazandrano teo amboniny, miaraka amin’ny mofo.

10Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Mitondrà hazandrano maromaro amin’ireo vao azonareo teo.” 11Ary niakatra Simona Petera ka nisintona an-tanety ny harato, izay feno hazandrano vaventy; 153. Tena maro be, kanefa tsy nitriatra ilay harato.

12Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Avia hisakafo maraina.” Tsy nisy tamin’ireo mpianatra sahy nanontany Azy hoe: “Iza moa Ianao?” Fantatr’izy ireo fa ny Tompo io. 13Nanatona Jesosy, nandray ny mofo, ary nanome izany azy ireo, toy izany koa ny hazandrano. 14Fanintelony amin’io no nisehoan’i Jesosy tamin’ireo mpianatra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.

15Rehefa avy nihinana ilay sakafo maraina izy ireo, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera hoe: “Simona zanak’i Jaona, tia Ahy mihoatra noho ireo ve ianao?” Hoy Petera taminy hoe: “Eny ry Tompo, fantatrao fa tia Anao aho.” Hoy Jesosy taminy hoe: “Fahano ireo ondriko.” 16Niteny taminy fanindroany indray Izy hoe: “Simona zanak’i Jaona, tia Ahy ve ianao?” Hoy Petera taminy hoe: “Eny ry Tompo, fatatrao fa tia Anao aho.” Hoy Jesosy taminy hoe: “Karakarao ny ondriko.”

17Niteny taminy fanintelony izy hoe: “Simona, zanak’i Jaona, tia Ahy ve ianao?” Dia nalahelo Petera satria Jesosy nanao intelo taminy hoe: “Tia Ahy ve ianao?” Ka hoy izy taminy hoe: “Tompo, Ianao mahalala ny zavatra rehetra, fantatrao fa tia Anao aho.” Hoy Jesosy taminy hoe: “Fahano ny ondriko.” 18Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fony mbola tanora ianao, dia zatra nampiditra irery ny akanjonao ary nandeha tamin’izay tianao, fa rehefa niha-antitra ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hampiakanjo anao sy hitondra anao amin’izay tsy tianao aleha.”

19Ary Jesosy nilaza izany mba hahafantarana hoe amin’ny karazana fahafatesana toy ny inona no hanomezan’i Petera voninahitra an’Andriamanitra. Rehefa avy nilaza izany Izy, dia hoy Izy tamin’i Petera hoe: “Manaraha Ahy.”

20Nitodika Petera ka nahita ilay mpianatra izay tian’i Jesosy nanaraka azy ireo, ilay iray izay niankina ampitan’i Jesosy ihany koa tao amin’ny fisakafoana ary nanao hoe: “Tompo, iza ilay iray hamadika Anao?” 21Nahita azy Petera ary hoy izy avy eo tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, inona no ho ataon’io lehilahy io?”

22Hoy Jesosy taminy hoe: “Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, dia midika inona izany aminao? Manaraha Ahy.” 23Ka niparitaka teo amin’ireo mpirahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty io mpianatra io. Nefa Jesosy tsy nilaza tamin’i Petera fa tsy ho faty ilay mpianatra hafa, fa hoe: “Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, dia midika inona izany aminao?”

24Izy ilay mpianatra izay nijoro vavolombelona momba ireo zavatra ireo, sy ilay nanoratra ireo zavatra ireo, ary fantatsika fa marina ny fanambarany. 25Misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesosy. Raha voasoratra tsirairay avy izany, dia heveriko fa na dia izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky izay ho soratana.

Copyright information for PltULB